<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Kristiana, andrandrao FFPM490</title>
<lyrics>[V1]
 Ry kristiana, andrandrao
 Ny Tompo sy Mpanjakanao,
 Fa Izy no Mpiaro ;
 Ka aza taitra hianao,
 Na dia manakora izao
 Ny fahavalo maro ;
 Omban'ny Tompo hianao,
 Ka aza atahoranao
 Ny rahon'ny mpamely.

[V2]
 Fa indro tsy rendrehana
 Ilay Mpiambi-masina,
 Izay Tokin'Israely ;
 Fantaro marina izao,
 Izay ataon'ny rafinao
 Aoka ho azy izany ;
 Fa andrandrao ny lanitra,
 Anao Andriamanitra,
 Anao ny fanjakany.</lyrics>
<hymn_number>490</hymn_number>
<author>M. Greitter</author>
</song>